âś… Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
đź“Ł Nanatanteraka hetsika « BEMIDINA » amin’ny alina ny Polisimpirenena sy ireo Vaomieran’ny Fandriam-pahalemana, ho fanatsarana ny Polisy manakaiky ny vahoaka na ny « Police de Proximité ».
👮‍♀️ Notarihan’ny Talen’ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RASOAMANANJARA Pierette Marie Françoise; ny lehiben’ny distrika Tana I, RAMBOASOLO Haingo Monyah , niaraka tamin’ny lehiben’ny CSP7, CSP4, CSP1 ary ny Vaomieran’ny Fandriam-pahalemana isaky ny Fokontany tao anatin’ny faritra.
👉 Nitsidika ireo toerana misy ny Polisy manao ny asa alina izy ireo, nanentana sy nampianatra ary nifarana tamin’ny fanakatonana toeram-pisotroana mihoatra ny ora ahafahana misokatra.
đźš” Toeram-pisotroana miisa 12 no nakatona noho ny tsy fanajana ny ora fisokafana, ankizy tsy ampy taona miisa 02 no nalefa any amin’ny Sampandraharahan’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza tsy ampy taona ary ny olona marefo (PMPM) ; olona miisa 25 tsy nanana kara-panondrom-pirenena sy tsy manana anton-dia mazava hivoahana amin’ny alina ary nentina ao amin’ny Kaomisaria 67ha hatao famotorana ; nisy ihany koa fisavĂ na ireo moto tsy manao aro-loha sy manao taingitelo.
🚨 Mandray andraikitra feno ny Polisimpirenena sy ireo VFP amin’ny fametrahana fandriampahalemanamaharitra, ny ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina ary fiarovana ireo ankizy tsy ampy taona.