✅ Olona roa no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao Tanjombato ny 01 Aprily 2025 noho ny fitazonana sy fivarotana « metamphétamine ».
📌 Taorian’ny angom-baovao azon’ny Polisy mahakasika olona voalaza fa mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika manodidina an’i Tanjombato, nanao ny firotsahana an-tsehatra ny Polisy misahana ny ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina.
👮 Tamin’ny fidinana hifotony no nahatratrarana roalahy mbola teo ampivarotana « méthamphétamine » ary mbola hita teny aminy koa ny fandanjana ireo entana izay amidiny.
✅ Taorian’ny famotorana savaranonando nataon’ny Polisy dia natolotra ny fampanoavana izy ireo ary voatazona vonjy maika eny Tsiafahy.

NIDOBOKA ANY TSIAFAHY IREO ROALAHY VOASAMBOTRY NY « STUP » NIVAROTRA METAMPHETAMINE TENY TANJOMBATO

Vous pourrez aussi aimer