👉 Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
🚨 Tsy nisy olona tao an-trano tamin’ny fotoana nidiran’ity tontakely ity tamina tokan-trano iray teny Ambohimiadana Ambohimanarina. Nisy tamin’ny mpiara-monina anefa nahatsikaritra izany ka nandeha niantso ny Polisy miasa teo amin’ny manodidina.
✅ Nidina avy hatrany ireo Polisy hijery ny zava-misy ka tratra am-bodiomby teo am-pibatà na ny fahitalavitra « écran plat » mihitsy ity lehilahy 25 taona ity ka dia noraisim-potsiny.
đźš” Nentina eo anivon’ny Komisaria izy miaraka amin’ny entana nangalariny mba ho atao fanadihadihana.