👉Ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG)
âś…Naharay antso ny Polisy ny Alatsinainy 07 Aprily efa misasakalina fa misy lehilahy iray saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny village touristique Mahajanga. Fantatra fa nisy disadisa teo amin’izy sy ny vadiny ka nodoran’ity lehilahy ity tamin’ny lasantsy ilay vehivavy. Hitan’ny fokonolona izany ka dia namonjy ilay ramatoa ny fokonolona no nisy nikasa hidaroka an-drangahy nahavanon-doza. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny Polisy avy ao amin’ny UIR izay efa nisy niantso, raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy manao herisetra ity.
➡️ Noentina tany amin’ny hopitaly ilay ramatoa, ary ilay vadiny kosa noentina tany amin’ny biraon’ny Polisy atao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana.

LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISY REHEFA NANDORO NY VADINY TAMIN’NY LASANTSY TANY MAHAJANGA