Fametrahana fandriampahalemana maharitra

✅Tao amin’ny fari-piadidian’ny Kaomisarian’i Mahamasina indray no nanatanterahana ny hetsika « BEMIDINA » amin’ny alina, ataon’ny Polisimpirenena mba ho fanatsaràna hatrany ny Polisy manakaiky ny vahoaka na ny « Police de Proximité ». Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika ireo vaomieran’ny fandriam-pahalemana (VFP) tamin’ny fokontany nandalovana.

👮‍♂️Notarihan’ny Commissaire Central an’Antananarivo, ny Commissaire Principal de Police RAZAFINDAHY Manitra fleurys; ny lehiben’ny distrika Tana IV, RAKOTONDRATSIMBA Masiaritovo Antoni, ity hetsika ity.

➡️Ankoatran’ny fisafoana manokana an’ireo toerana tena mafàna amin’ny resaka tsy fandriampahalemana toy ny teny Madera Namontana, Andrefan’i Manajara, ny tao Namontana dia manentana ny toeram-pivarotana sy ny mponina ihany koa ny Polisimpirenena amin’ny fitandremana sy fandraisana andraikitry ny tsairairay manoloana ny tsy fandriampahalemana. Isan’izany ohatra ny fanamafisana ny hidin-trano sy fitazonana laharan’ny mpitandro ny filaminana, ahafahan’ny Polisimpirenena mirotsaka an-tsehatra raha misy olon-dratsy miditra ny tokan-trano iray. Mandra-pahavoan’ny mpangalatra ny trano dia efa tonga eo ny Polisy raha mafy ny hidin-trano.

🍻Toeram-pisotroana miisa 05 no nakatona noho ny tsy fanajàna ny ora fisokafana, olona miisa 08 tsy nanana karapanondrom-pirenena sy tsy manana anton-dia mazava hivoahana amin’ny alina nentina ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina hatao famotorana.
Hitohy hatrany ny hetsika Bemidina tahaka izao mba ho fanatanterahana ny Politikam-panjakàna amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra antoky ny fampandrosoana.

OPERATION « BEMIDINA » TAO AMIN’NY FARI-PIADIDIAN’NY KAOMISARIA MAHAMASINA

Vous pourrez aussi aimer