Ady amin’ny asan-jiolahy
➡️Jiolahy efa ikoizana amin’ny fampihorohoroana sy fanafihana mitam-piadiana miisa roa no indray lavon’ny Polisin’ny UIR tao Toliara ny 13 Aprily 2025 maraina.
➡️Nisy nampandre ny Polisin’ny UIR Toliara fa misy jiolahy manomana fanafihana mahery vaika ka nandray andraikitra avy hatrany izy ireo. Nidina ifotony ny Polisy nijery sy nanamarina ny angom-baovao, nitifitra avy hatrany anefa ireo jiolahy raha vao nahatazana ny Polisy teny an-toerana. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ka lavon’ny Polisy ny roa tamin’ireo jiolahy. Azo tany amin’ireto jiolahy ireto ny basy poleta roa miaraka amin’ny bala miisa roa ambiroapolo izay nentiny nanao ny fanafihana.
➡️Mbola eo am-pikarohana ny namany iray tafaporitsaka ny Polisy amin’izao fotoana izao.

JIOLAHY RAINDAHINY ROA LAVON’NY POLISY TAO TOLIARA. BASY POLETA ROA AZO, NIAMPY BALA MIISA 22