👉Fametrahana fandriampahalemana maharitra
✅Notarihin’ny Commissaire Central an’Antananarivo, ny Commissaire Principal de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys sy ny lehiben’ny Distrika ao amin’ny boriborin-tany faha V Antananarivo, Ramatoa RASATA Volahasina, ny hetsika Bemidina teny amin’ny faripiadidian’ny Kaomisarian’ny boriboritany fahatelo Antaninandro ny alin’ny 15 Aprily 2025.
➡️ Teny amin’ny fokontany Ambohimirary, Mikoja Ampasapito, Ambohidahy Ankadindramamy, Ampanotokana , Ambatomaro, Andraisoro ary Tsarahonenana no nanombohana ny hetsika Bemidina amin’ny alina tao amin’ny fari-piadidian’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faha telo. Nandritra ny fisafoana mandeha an-tongotra, nisy ny fanentanana ireo mpivarotra zava-pisotro amin’ny tokony hanajàna ny ora fikatonana. Niditra tanatin’ny elakelan-trano rehetra niaraka tamin’ireo Vaomieran ‘ ny fandriampahalemana eny ifotony sy ny lehibem-pokontany ny Polisimpirenena ka olona miisa 21 no nanaovana famotorana ary noraisina teny amin’ny Biraon’ny Kaomisaria ny mombamomba azy ireo satria tsy nitondra karapanondrom-pirenena no tsy manana anton-dia mazava amin’ny alina. Olona 2 hafa izay efa nokarohin’ny Polisy noho ny resaka famendahana sy sinto-mahery ihany koa no voasambotra ka tanana atao fanadihadiana.
➡️Nanentana ny olom – pirenena hatrany ny Polisy ny mba hivimbinana ny karapanondrom-pirenena raha sendra misy dia tsy maintsy hivoahana amin ‘ ny alina. Noentanina ihany koa ireo lehibem-pokontany ny amin’ny fanaraha-maso hatrany ireo vahiny mpandalo sy firaketana an-tsoratra azy ireny.