➡️Taorian’ny nahitana ny vata-mangatsiakan’ny zaza lahy 10 taona ny marainan’ny 16 Aprily 2025 tao Soanafindra Tsiroanomandidy, dia voasambotra ny harivan’io ihany ny raikeliny, izay fantatra fa nahavita izao asa ratsy izao. Ny zokin’ilay zazalahy novonoiny io no nijoro vavolombelona fa ity raikeliny ity no namono ny zandriny satria tsy teo ny renin’izy ireo tamin’io fotoana io noho ny disadisa nisy teo amin’izy mivady. Lasa nandositra niala an’i Tsiroanomandidy ity lehilahy ity rehefa nahavita ilay heloka bevava saingy vokatry ny angom-baovao, niampy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena dia tratra ny andron’ny 16 Aprily 2025 ihany. Niaiky ny heloka nataony izy tamin’ny famotorana savaranon’ando nataon’ny Polisimpirenena ary mbola nanamafy izany teo anatrehan’ny Fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana. Ny disadisa nisy teo aminy sy ilay sakaizany, izay renin’ireo zaza ireo no nitarika izao vonoan’olona izao. Noho izany, nampidirina am-ponja eny Tsiafahy izy miandry ny fotoam-pitsaràna.

LEHILAHY NAMONO NY ZANA-BADINY TAO TSIROANOMANDIDY, VOASAMBOTRA ARY NAMPIDIRINA AM-PONJA ANY TSIAFAHY

Vous pourrez aussi aimer