👉 Polisy miaro sy manampy ny vahoaka
➡️Ao anatin’ny toerana hiadidian’ny Polisimpirenena manokana dia samy ahità na ny Polisimpirenena manatanteraka ny asany avokoa ireo fiangonana manao fotoam-bavaka amin’ny hariva anatin’izao Herinandro Masina izao ; ankoatran’ny fitandroana ny filaminana eo amin’ny manodidina ny fiangonana dia miantoka filaminana ho an’ny mpivavaka an-dalana mody ny Polisy. Tsy izay ihany fa samy misy Polisy ihany koa ireo toerana fiandrasana fiara fitateram-bahoaka mba hiantohana ny filaminana satria amin’izy ireny no tena lasibatry ny mpanao sinto-mahery sy asa fanendahana. Misy ihany koa ny fisafoana any anaty tanà na any mba hisorohana ny fanararaotana raha mandeha mivavaka ny tompon-trano. Ankoatra izay dia miara-miasa ny Hery Fiarovana sy Filaminana amin’ny faritra maro hafa mba hahafahana hatrany mametraka ny fandriam-pahalemana ho an’ny mpiray Tanindrazana anatin’izao fetin’ny Paska izao.
➡️ Manentana ny rehetra ny Polisimpirenena amin’ny fandraisana andraikitra izay tandrify, raha misy trangana tsy fandriam-pahalemana, isan’ireo andraikitry ny olom-pirenena tsotra ohatra ny mampiditra ny laharana findain’ny Polisy na ny mpitandro ny filaminana any amin’ny faritra misy azy mba hahafahana miantso avy hatrany raha misy ilà na izany. Azon’ny rehetra atao ihany koa ny manantona avy hatrany ny Polisy misehatra eny an-kianja raha toa ka ilaina izany, natao hifampiresaka amin’ny Mpiray Tanindrazana rehetra ny Polisimpirenena.
👉 Sary : santionany amin’ireo toerana ahità na ny Polisimpirenena