✅ Notanterahina tao amin’ny trano fonenan’ny Commissaire Central ao Morondava ny 18 Aprily 2025, ny fandraisana ny fantsakana iray izay naorina sy natolotry ny fikambanana Levier de Menabe ho an’ny Polisimpirenena. Fotodrafitrasa maharitra, ho an’ny Polisy ary Natao ho an’ny Komisera mifandimby miasa ao Morondava izy ity.
✅ Nitarika izany lanonana izany ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Menabe, ny Commissaire Divisionnaire de Police SERALY Hercule sy ny vadiny, niaraka tamin’ny Commissaire Central Morondava sy ny vadiny, ary natrehin’ireo Polisy miasa ao an-toerana sy solontena avy amin’ny FIVAPOVA.
✅ Fikambanana silamo miasa amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny tanànan’i Morondava ny Levier de Menabe. Nandritra io lanonana io no nanambaran’izy ireo indray fa mbola hanorina fantsakana vaovao ao anatin’ny tokotanin’ny tranoben’ny DRSP Menabe ny fikambanana. Izao fihetsika Izao dia mariky ny fahatokisan’ny vahoaka ao Morondava ny Polisimpirenena.