ORINASA RUN DONG INTERNATIONAL : NANOME FANAMPIANA ARA-TSAKAFO IREO KAMBOTY TEZAINA ANY AMBATOLAMPY
Vary, menaka, ronono, paty, ireo no anisan’ny fanampiana ara-tsosialy nomen’ny orinasa tsy miankina amin’ny amin’ny fanorenana ( immobilier) » RUN DONG INTERNATIONAL » ho an’ny zaza kamboty tezain’ny Polisim-pirenena any Ambatolampy.
Ny Tale jeneneraly sy ny Tale misahana ny maha olona an’ity orinasa ity no tonga nanome ilay fanampiana ary nilaza izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Polisim-pirenena izao fanomezana izao no sady fanampiana ara-tsosialy omena ireo olona mila izany amin’ izao akaiky Asaramanitra izao.
Tonga nandray mivantana ireto fanomezana ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ary nankasitraka sy nisaotra ny fanampiana tahaka izao indrindra amin’ny ankatoky ny fety izao mba ho tsapan’ireo Zaza kamboty fa misy mpiahy sy mijery ireo ankizy fa tsy irery.