Tsy mpilalao baolina kitra akory izy ireto fa mpivarotra sy mpifoka rongony eny amin’ny faritra 67ha sy ny Manodidina.
Samy mahafantatra isika rehetra fa mampirisika azy ireo hanao herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina ny fifohana izany , anisan’izany ny fanolanana lazain’ny fitaovan-tserasera isan-karazany. Ankoatra izay dia hita taratra fa ny ankabeazan’ny olon-dratsy ( mpanendaka sy mpamaky trano) tratran’ny Polisy dia mpidoroka zava- mahadomelina avokoa