CSP7- BC- USI – FAMONOANA MPANAO CASH POINT TETSY 67HA : TRATRAN’NY POLISY TENY ANTSALOVANA IREO NAHAVANON-DOZA

✅ Teo am-pizarana vola izy 03 lahy ireto no tratran’ny Polisy ny boriborintany fahafito teny Antsalovana . Izy ireo no nanatanteraka ny famonoana an’ ilay rangahy lehibe iray tompona cash point tetsy 67ha ny harivan’ny talata 24 Mai lasa teo.
✅ Efa niomana hifindra trano nibata entana moa ireto jiolahy no izao tratran’ny Polisy izao ary efa malaza amin’ny fanendahana eny amin’ny faritra 67ha iny. Rehefa natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo dia nalefa any Tsiafahy.
?‍♂️Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisim-pirenena.

CSP7- BC- USI – FAMONOANA MPANAO CASH POINT TETSY 67HA : TRATRAN’NY POLISY TENY ANTSALOVANA IREO NAHAVANON-DOZA

Vous pourrez aussi aimer