FANKALAZANA NY FAHA 62 TAONAN’NY POLISIM-PIRENENA: HAZAKAZAKA ARA-PIRAHALAHIANA SY KERIMESY NO NANAMARIHANA NY FAHA 62 TAONA NY ASABOTSY 30 SEPTAMBRA , MBOLA HITOHY ANDROANY KOSA NY KERIMESY
Polisy manodidina ny 700 mahery no naneho ny firaisan-kinany tamin’ny alalan’ny hazakazaka teny Ivato ho fanohizana ny hetsika fanamarihana ny fankalazana ny faha 62 taonan’ny Polisim-pirenena. Nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny hazakazaka ary nifarana teny amin’ny Sekoly Ambonin’ny Polisy Ivato . Nitohy teny an-toerana ny hetsika tamin’ny fanombohana ny kerimesy ho fampifaliana ireo fianakaviana polisy . Nofaranana tamin’ny fanapoahana afomanga moa ny andro omaly saingy mbola hitohy androany Alahady kosa ny kerimesy izay hisy kilalao maro be sy fampisehoana hiarahana amin’ny mpanakanto maro samihafa ho an’ireo izay tonga eny an-toerana.
FANKALAZANA NY FAHA 62 TAONAN’NY POLISIM-PIRENENA: HAZAKAZAKA ARA-PIRAHALAHIANA SY KERIMESY NO NANAMARIHANA NY FAHA 62 TAONA NY ASABOTSY 30 SEPTAMBRA , MBOLA HITOHY ANDROANY KOSA NY KERIMESY