FITALEAVANA NY KABINETRA ETO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA : VITA NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA

✅️ Notanterahina ny 08 mey 2024 tamin’ny 03 ora tolakandro teto Anosy ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny Fitaleavana ny Kabinetra ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
👮‍♂️Ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAKA ANDRIAMAHASOA araka izany no voatendry hisolo ny toeran’ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO MANDIMBIN’NY AINA MBOLANORO izay nitantana izany teo aloha.
✅️ Nanatrika izany teny an-toerana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’nyFilaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTONDRAVELO Iangotiana sy ireo Tale isan-tsokajiny ary ireo lehiben’ny sampan-draharaha maro.
🙏 Nandritra ny lahateny nataony moa dia nanamafy sy nampanantena ny Tale vaovao fa hanohy ny ezaka efa vitan’ny teo aloha ary hitondra ny anjara biriky ho tombotsoa ambony ny Minisitera.

FITALEAVANA NY KABINETRA ETO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA : VITA NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA

Vous pourrez aussi aimer