FOTODRAFITRASA : NATOLOTRA NY BIRAO VAOVAON’NY FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA MELAKY

✅️ Notanterahina androany talata 21Mey 2024 tao Maintirano ny fanolorana ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Melaky.
🤝 Nanolotra izany tany an-toerana ny Filoham-pirenena SEM Andry Nirina RAJOELINA. Nambarany fa ny fotodrafitrasa tahaka izao dia hanampy ny Polisimpirenena amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra .Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena rahateo izany.
📣👮 Nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala . Tsy hikely soroka amin’ny fampandriana fahalemana ny Polisimpirenena araka ny nambarany.

FOTODRAFITRASA : NATOLOTRA NY BIRAO VAOVAON’NY FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA MELAKY

Vous pourrez aussi aimer