MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA : NANENTANA IREO POLISY MBA HANATANTERAKA NY ASA AMIN’NY FOMBA MATIANINA MANDRITRA NY FIFIDIANANA

✅️ Nanome toromarika ireo Polisy tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna izay hiandraikitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny alarobia 29 mey 2024 tamin’ny 05 ora sy sasany maraina.
📣 📢 Nanafatra ny Minisitra mba hanatanterahan’ny Polisy ny asany amin’ny fomba matianina tanteraka ka hahafahan’ny olompirenena mifidy am-pilaminana. Efa misy rahateo ny paikady napetraka hoy izy mba hitandroana ny filaminana aloha , mandritra ary ao aorian’ny fifidianana solombavambahoaka.
📣📣 Nanentana ny olompirenena ihany koa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mba hifidy ao anatin’ny fanarahana tanteraka ny fandaminana napetraky ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA : NANENTANA IREO POLISY MBA HANATANTERAKA NY ASA AMIN’NY FOMBA MATIANINA MANDRITRA NY FIFIDIANANA

Vous pourrez aussi aimer