✅️ Antoka iray lehibe hiadiana amin’ny kolikoly ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy. Izany no hevi-dehibe nivoitra nandritra ny fankalazana ny andro afrikanina hiadiana amin’ny kolikoly tetsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny androany 11 jolay 2024.
✅️ Nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Fitsirihana Ankapobeny eto anivon’ny Polisimpirenena sy ny Fitaleavana misahana ny ady amin’ny kolikoly ary ny Fitaleavana misahana ny famotorana anatiny.
⛺️ Nisy ny trano heva nampiratian’ireo mpandray anjara tsirairay ny asan’izy ireo indrindra ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly .
✅️ Nanotrona ity hetsika ity ny solotena avy amin’ny BIANCO sy ny avy amin’ny firaisambe afrikanina . Nitarika ny solotena avy amin’ny Polisimpirenena ny lehiben’ny Fitsirihana Ankapobeny , ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMALALA Andriamarolahy Fanomezantsoa.

ANDRO AFRIKANINA HIADIANA AMIN’NY KOLIKOLY : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY HETSIKA NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer