✅️ Namory ireo tomponandraikitra sy mpisehatra amin’ny fiarovana ny sisintany sy ny fitandroana ny filaminana ao Antsiranana ny Praiminisitra , NTSAY Christian ny 26 jolay 2024 teo .
👉 Nodinihina manokana ny momba ny trangana fiondranana antsokosoko atsy amin’ny nosy Mayotte. Tokony hamafisina hatrany ny fiarahamiasa eo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokaziny hahafahana miady amin’izany hoy ny Praiminisitra. Eo ihany koa ny resaka fanondranana antsokosoko ny dingadingana na cocombre de mer . Hoamafisina araka izany ny fanarahamaso ity sehatra iray ity.
✅️Tao alohan’ity fivoriana ity dia nisy ny fitsidihana ny sambo miaramila sinoa  » Arche de la paix » izay sady hopitaly handray marary ihany koa. Fitsidihana izay niarahana tamin’i Ambasadaoro sinoa SEM JI PING.
✅️Nanatrika ity fivoriana ity ny Minisitry ny raharam-bahiny , Ramatoa RASATA Ravavitafika, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ireo solombavambahoaka miisa 04 voafidy tany amin’iny faritra avaratra iny, ny loholon’Antsiranana ary ireo tomponandraikitry ny fibaikoana ireo hery fiarovana ao Antsiranana.

DRSP DIANA/ CC ANTSIRANANA NATAO TANY ANTSIRANANA NY DINIKA MANOKANA MOMBA NY ADY AMIN’NY FIONDRANANA ANTSOKOSOKO ANY MAYOTTE SY NY FANONDRANANA TSY ARA-DALANA NY DINGADINGANA

Vous pourrez aussi aimer