✅️ Tanterahina ny alatsinainy 29 jolay sy talata 30 jolay 2024 etsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa mahakasika ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ireo biby arovana eto Madagasikara .
👉 Ny INTERPOL izay notarihin’ny lehibeny , ny Commissaire Divisionnaire de Police RABIALAHY Jean Rostand no isany vy nahitana sy angady nananana izao atrikasa izao. Natao ho fampihaonana ireo mpampihatra lalàna mahakasika ny ala, ny biby arovana moa ity atrikasa ity . Tanjona ny hanatsarana ny fomba fiasa indrindra ny fikarohana ireo mpandika lalàna na ireo mpanondrana antsokosoko ireo biby . Mpisehatra maro araka izany no nandray anjara toy ny Polisimpirenena, ny Zandarimariam-pirenena, ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisiteran’ny fitsarana, ny PAC, ny BIANCO, ny SAMIFIN, ny ARAI, ny Faditseranana.

INTERPOL ATRIKASA MOMBA NY ADY AMIN’NY FANONDRANANA IREO BIBY AROVANA ETO MADAGASIKARA: HIKAONDOHA MANDRITRA NY ROA ANDRO ETSY AMIN’NY CARLTON IREO MPISEHATRA

Vous pourrez aussi aimer