✅️ Tontosa androany 03 oktobra 2024 tetsy amin’ny Espace Anjara fitiavana Anosizato ny atrik’asa hamahana ny olan’ny vahoaka mahakasika ny resaka tsy fandriampahalemana ao amin’ny Boriborintany faha IV.
✅️ Fifanakalozan-kevitra sy fizahana vahaolana niarahan’ny Polisimpirenena tamin’ireo mpisehatra toy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha IV, Andriamatoa RAFIDIMANANA Désiré , ireo Vaomieran’ny Fandriampahalemana sy ireo lehiben’ny Fonkotany ity natao ity. Samy nanambara ny hetahetany ireo mpisehatra indrindra ny mba hampitomboana ny fisafoana sy ny isan’ireo polisy miasa eny amin’ny toerana be mpivezivezy.
✅️ Nitarika ny delegasiona avy amin’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala izay notronin’ireo tomponan’andraikitry ny filaminam-bahoaka eto an-drenivohitra.
📢 Niantso ho an’ny fiarahamiasa akaiky amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny Minisitra. Nampanantena ihany koa izy fa handray fepetra manoloana ireo hetaheta sy ireo soso-kevitra voaray androany.

ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA: NIHAINO MIVANTANA IREO VAHOAKA AVY AO AMIN’NY BORIBORINTANY FAHA IV NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer