✅ Laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny fanorenana tanàna vaovao izay mihataka ireo tanan-dehibe ka nanombohana izany ny tany Fieferamanga Arivonimamo.
✅️ Nidina tany Fieferamanga ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Minisitera maro ho fanombohana ny tetikasa « Ankohonana miarina ». Trano fonenana mendrika miisa 83 no aorina ao an-toerana. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana moa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity ka biriky voavolavola amin’ny tany mena izay manaja ny tontolo iainana no ampiasaina amin’izany.
✅️ Fianakaviana dimy tafo no efa miaina sy mivelona any an-toerana ka misitraka ireo trano sy tany hambolena ary hiompiana. Efa miasa eny an-toerana ireo siniben-drano sy ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Napetraka ihany koa ny fandaminana mahakasika ny fitaterana hanamora ny fivezivezena eny an-toerana.
👮Nalefa eny an-toerana ireo mpitandro filaminana toy ny Polisy sy Zandary mba hiantoka ny fiarovana sy ny fandriam-pahalemana.
✅ Nandray anjara avokoa ireo Minisitera tompon’andraikitra amin’ity tetikasa ity ka tsy diso anjara amin’izany ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka izay tarihin’ny Contrôleur Géneral de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
✅ Mifanindra-dalana amin’ity tetikasa ity ny asa atao ao Ambohimiarina Imerintsiatosika amin’izao fotoana izao, ary hanomboka tsy ho ela ny ao Mahitsy sy Antsoatany Antsirabe.

ANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY TOERAM-PONENANA: NIARA NANKALAZA IZANY TANY ARIVONIMAMO IREO MINISITERA MARO

Vous pourrez aussi aimer