✅️ Lehilahy iray 38 taona no voasambotry ny Polisin’ny Cybercriminalité ny 25 oktobra 2024 lasa teo noho ny resaka fangalarana vola ao amin’ny kaonty Mvola amin‘ny « puce » very.
✅️ Ny 26 septambra 2024 lasa teo dia naharay fitarainana ny Polisy teo anivon’ny Cybercriminalité mahakasika fahaverezana vola tao anaty puce Mvola. Araka ny voalazan’io mpitory io dia very tamin’ny 25 septambra 2024 ny puce telma izay mbola nisy Mvola mitentina 9.000.000 ar. Rehefa nanao ny famerenana ilay puce teny amin’ny Telma anefa ity farany dia nahatsikaritra fa tsy tao intsony io vola io.
👉Nanokatra fanadiadiana avy hatrany ny Polisy. Taorian’ny fanangonana ireo porofo dia hita ny toerana misy ity lehilahy ity. Ny zoma 25 oktobra 2024 teo akaikin’ny Magro Behoririka izy no tra-tehaka. Niaiky izy fa naka ny vola 💰 9.000.000 ar tao anatin’ilay puce. Nilaza ny tenany fa misy olona miara-miasa aminy mpivarotra « puce »izay misoratra amin’ny anaran’olona hafa ka ahafahan’izy ireo mamindra ireo vola izay angalarin’izy ireo.Mitohy hatrany ny fikarohana ataon ‘ny Polisy.
🚨 Hatolotra ny fitsarana androany 28 oktobra 2024 ity lehilahy ity.

 

DPJ/ CYBERCRIMINALITÉ:FANGALARAM-BOLA ANATY KAONTY MVOLA AMIN’NY PUCE VERY: LEHILAHY IRAY TOMPON’ANTOKA NO VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer