✅️ Nosamborin’ny Polisy miasa ao Ambondromamy ity dahalo ity rehefa nikasa hitondra antsokosoko ireo omby halatra miisa roa ny 02 novambra 2024 tokony tamin’ny 07 ora hariva.
👉 Nisy ny halatr’omby tao Ambato-Boeny ka very tamin’izany ny omby miisa 05. Ny telo tamin’ireo omby ireo dia efa tafaverina amin’ny Fokonolona. Ny roa ambiny kosa no noentin’ity dahalo ity ka izao izy tratra tao Andavandrere akaikin’ny tetezan’ny Kamoro izao.
👉 Natolotra ny Zandarimariam-pirenena kosa ny raharaha.