✅️ Voasambotry ny Polisy ao Amparafaravola ny 21 sy 22 oktobra 2024 teo izy sivy mirahalahy ireto rehefa avy nanolana zazavavy vao 15 taona.
✅️ Raha tsiahivina dia zazavavy iray 15 taona no lasibatry ny fanolanana izay nataon’izy sivy lahy ireto ny alin’ny 15 Oktobra 2024 rehefa nody avy nanatrika raharaham-pianakaviana tao amin’ny FKT Ambohimandroso, Kaominina Ambohitrarivo, Distrikan’ Amparafaravola .
👉 Nandeha irery ity farany ka nararaotin’ireo olon-dratsy rehefa nandalo toerana maizina. Ny maraina izy vao tonga tany an-trano ka nilaza ny zava-nitranga tamin’ireo Ray aman-dreniny. Natao ny fizahana ka hita fa simba ary niharan’ny filan-dratsy tokoa ity zazavavy ity.
✅️ Nanoro ny mombamomba ireo mpanolana azy ilay zazavavy ka voasambotra ny roa tamin’izy ireo ny 21 oktobra 2024. Ny 22 oktobra 2024 kosa no nosamborina ireo fitolahy ambiny.