✅️ Jiolahy raindahiny iray no lavon’ny Polisy miasa ao Ambatondrazaka ny alin’ny 05 hifoha 06 Novambra 2024 tao amin’ny FKT Ambodimanga, Ambatondrazaka.
✅️ Ny alin’ny 05 hifoha 06 novambra 2024 tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, nandritra ny fisafoana nataon’ireo Polisy ao Ambatondrazaka tao amin’ny FKT Ambodimanga dia nifanena tamin’olona ahiahiana izy ireo. Namoaka ny antsy lava teny aminy ity farany rehefa voataratrin ‘ny jiro. Nandroso ary nanambana ireo Polisy moa ity lehilahy ity ka nandritra izany no nahavoatifitra azy. Nahitana sabatra sy ody gasy teny aminy. Fantatra moa fa jiolahy raindahiny izay nokarohin ‘ny Polisy efa ela.
🚨 Mitohy hatrany ny hetsika ataon ‘ny Polisimpirenena any an – toerana .

DRSP ALAOTRA MANGORO/ CSP AMBATONDRAZAKA:JIOLAHY RAINDAHINY LAVON’NY POLISY AO AMBATONDRAZAKA

Vous pourrez aussi aimer