📚Nanolotra boky miisa 600 ho an’ny Akany fitaizana ny zaza kambotin’ny Polisimpirenena ao Ambatolampy ny avy eo anivon’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Andriamatoa Richard HAYS.
✅Natao hampitaovana sy ho fanampiana ireo ankizy beazina eo anivon’ny Akany izay ahitàna boky mahakasika ny fampianarana, boky natokana ho an’ny ankizy, ary « roman » ireo natolotra ireo.
✅Nandray izany tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Sekretera Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nambarany tamin’ny lahateny izay nataony fa ho atolotra ho an’ireo ankizy ao amin’ny akany ireto boky ireto, ka inoana fa hitondra vokatsoa amin’ny fanabezana azy ireo ny fisian’ireto boky ireto.
Nomarihiny moa fa manan-danja foana ny famakiana boky na dia eo aza ny fisian’ireo teknolojia izay efa tena mandroso tokoa ankehitriny.

AKANY AMBATOLAMPY : NANOLOTRA BOKY HO AN’IREO ANKIZY NY EO ANIVON’NY MASOIVOHON’I ETAZONIA ETO MADAGASIKARA

Vous pourrez aussi aimer