✅Manohy ny fanatanterahana ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, amin’ny tsy maintsy hamahana ao anatin’ny fotoana fohy ny olan’ny jiro sy rano ireo rafitra mpanatanteraka rehetra amin’izao fotoana izao. Nidina teto Toamasina androany maraina ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian, niaraka tamin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ireo rantsamangaika rehetra mirafitra amin’ireo Minisitera ireo; izay voakasik’ity famahana ity olan’ny herinaratra ity.
➡️Fikaonandoha hijerena aingana ny vahaolana amoahana ao anatin’ny fotoana fohy ireo « Containers » mitondra ireo fitaovam-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, sy ny milina famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika mavesatra; izay hiantoka ny famerenana amin’ny laoniny ny olan’ny herinaratra manerana an’i Madagasikara avy hatrany, no notanterahina tao amin’ny efitrano fivorian’ny SPAT na ny « Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina ».
👉🏻Ny fanatanterahana ny vinan’asa apetraky ny fitondram-panjakana hoy ny Praiminisitra, no lalantsaina mibaiko ny rehetra, ary lavina marindrano ny fampikatsoana ny fivoahan’ireo entana ireo, ahafahana mizara azy aingana. Hisitraka izany i Antsiranana, Nosy-Be, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara ary Antananarivo, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika. Nanome fe-potoana hentitra ny Praiministra, amin’ny tsy maintsy hivoahan’ireo fitaovana rehetra ireo, farafahatarany ny Alarobia faha-13 novambra ho avy izao. Nanomboka ny tolakandro teo dia samy nirohotra namoaka ireo fitaovana ireo koa ny tompon’andraikitra rehetra, ary efa misy ny ampahany tafavoaka; mba ahafahana mametraka eran’ny Nosy ny « Parc solaire » 50 MW. Miasa 24/24 ora isanandro izy ireo amin’izany, araka ny lamina manokana napetraka.
𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮