👮Lehilahy miisa roa, 31 taona sy 32 taona no voasambotry ny Polisin ‘ny STUP Anosy ny 09 novambra 2024 teny Ampitatafika noho ny resaka fivarotana rongony.
👉Loharanom-baovao no nahafantaran ‘ny Polisimpirenena fa misy olona mivarotra sy mitazona zava-mahadomelina eny amin’ny faritra Ampitatafika iny . Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy, nanao ny velam-pandrika rehetra. Vokany, tra-tehaky teo ampikirakirana zava – mahadomelina izy ireo. Nandritra ny fisavana natao dia mbola nahitana rongony amin’ny karazana « Skunk » milanja 304 grama.
👮Lehilahy miisa telo hafa, 53 taona, sy 43 taona ary 28 taona, no saron’ny Polisy miasa ao amin’ny Komisaria Ambohijatovo teny Saropody teo am-pifohana rongony ny 10 Novambra 2024 lasa teo.
👉Nandritra ny fisafoana nataon’ireo Polisy manao fanamiana sivily tany amin’ny faritra saropody iny no nahatrarana azy telolahy ireto.
👉Rehefa nosavaina dia tratra tany amin’izy ireo ny basy kilalao miisa 2 sy bala tena izy iray ary antsy
Fantarana fa fitaovana saika hanaovana fanafihana ireo sarona ireo.
✅Naiditra am-ponja vonjimaika izy dimilahy ireo rehefa avy natolotra ny Fampanoavana.

DPE-STUPDRSP ANALAMANGA:CSP AMBOHIJATOVO ADY ATAO AMIN’NY FIPARITAHAN’NY ZAVA-MAHADOMELINA lehilahy miisa dimy no voasambotra

Vous pourrez aussi aimer