Lehilahy telo, 58 sy 47 ary 32 taona no tra-tehaky ny POLISY miasa ao amin’ny Komisarian’i ANTALAHA ny 04 sy 05 novambra 2024 lasa teo nohon’ny halatra moto.
Manoloana ny tranga fahaverezana moto izay niseho dia nandray andraikitra avy hatrany ireo Polisy miasa any an – toerana ka taorian ‘ny angom-baovao sy ny fikarohana dia voasambotry ny mpitandro ny filaminana miasa ao amin ‘ny Kaomisarian’i Antalaha tao Analamanga Fokontany Maherifody ny lehilahy iray 58 taona “mecanicien“ mpividy ireo kodiaran – droa very any an – toerana. Izy no nahafahana nisambotra ny lehilahy iray 32 taona
, namany hafa tao Belle Rose izay tomponantoka tamin ‘ny halatra moto niseho ny 04 sy 05 novembre 2024 tao Belle Rose ihany. Nosamborina ihany koa ny lehilahy iray hafa 47 taona, mpiray tsikombakomba amin ‘izy ireo.
Noentina eny amin ‘ny biraon ‘ny Polisy moa izy telo ireto nanaovana fanadihadiana ary
naverina amin ‘ny tompony ilay moto nangalarin ‘izy ireo taorianan’ny fanamarinana natao.
Natolotra ny fampanoavana omaly 14 novambra 2024 izy telolahy ireo ary samy notanana ao amin’ny Fonjan’ny ANTALAHA.