👮Saron ‘ny Polisy miasa ao amin’ny CSP5 Mahamasina tao amin’ny Fokontany Ouest Mananjara, ny Zoma 15 Novambra 2024, ny lehilahy miisa 03 nikonokonona hanao asa ratsy izay niteraka horohoro eny amin’iny faritra iny.
👉Fantatra fa misy olona midoroka zava -mahadomelina eny an – toerana no sady mitazona fitaovam-piadiana maro, toy ny antsy lava sy basy.Miara-mivory ao amin ‘ny trano iray ao amin’io fokontany io izy ireo no sady mikononkonona asa ratsy toy ny fanendahana eny amin’iny faritra Ouest Mananjara iny.
✅Nandray fepetra moa ireo Polisy misahana an’iny toerana iny, ka tra- tehaka tao ireo 03 voalaza etsy ambony. Nandritra ny fisavana no nahitana ireo karazana fitaovam-piadiana toy
ny antsy lava sy basy tsy tena izy izay entin ‘izy ireo mampihorohoro iny toerana iny. Midoroka zava – mahadomelina moa izy ireo alohan ‘ny hanatanterahany ny asa ratsiny
👉Mitohy hatrany ny hetsika ataon ‘ny Polisimpirenena.