🐂🐂Omby miisa roa no lasan’ny dahalo nandritra ny fanafihana nitranga ny 19 novambra 2024 tokony ho tamin’ny 3 ora maraina teo ho eo, tao Ankorobe, Kaominina Ambonivohitra Besalampy. Dahalo maromaro no nanao be midina ka nanafika tao amin’ity tanàna ity.
👮Rehefa naharay fampandrenesana ny avy ao amin’ny Komisaria Besalampy, dia nametraka paikady ary niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny Polisy any an-toerana niaraka tamin’ny fokonolona.
✅Nahitam-bokany avy hatrany izany, ka tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo no hita tao Andrafiatoka, fokontany Ambalatany ny Omby iray. Tokony tamin’ny 10 ora kosa no tratran’ny fokonolona tany amin’ny Kaominina Marovoay ny Omby iray hafa.
✅Samy efa tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo Omby ireo. Mitohy hatrany ny fanadihadihana ataon’ny Polisy ao amin’ny Komisaria Besalampy momba ity raharaha ity.
DRSP MELAKY_CSP BESALAMPY:OMBY ROA TAFAVERINA AMIN’NY TOMPONY NOHO NY FIARAHA-MIASAN’NY POLISY SY NY FOKONOLONA