👉Fiofanana nitohy naharitra telo andro, ny alarobia 20 novambra ka nifarana ny zoma 22 novambra 2024 tao amin’ny « HOTEL LE PAVE » Antaninarenina, izay nokarakarain’ny UNICEF. Izany fiofanan izany dia mahakasika ny fiarovana ny ankizy sy ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy vavy. Polisy miisa 13 ka miisa 03 ny lahy avy amin’ny sampan-draharaha isan-karazany eto anivon’ny Polisimpirenena. Miisa 08 kosa ny avy ao amin’ny Zandarimaria ka ahitana lehilahy miisa 05. Nanomboka ny Alarobia 20 novambra ary nifarana ny zoma 22 novambra 2024.
✅Tanjona tamin’izao fiofanana izao dia ny hampitombo ny traikefa efa hananan’ireo mpitandro filaminana Polisy sy Zandary nanatrika ny fiofanana ho amin’ny fanantanterahana ny asany : Fanatsarana ny fomba fandraisana olona sy fifaneraserana amin’ny olona, fanamafisana ny fahaiza manao ireo mpanao fanadihadiana mahakasika ny fiarovana ny Ankizy sy ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy vavy.
âś…Tonga namarana izany fiofanana izany ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fiofanana mitohy ny Commissaire Divisionnaire de Police RASOAMANANJARA Pierrette Marie Françoise sy Andriamatoa RASOLOFOARIMANANA Rene SpĂ©cialiste protection de l’enfance eo anivon’ny UNICEF.