👮Voasambotry ny Polisin‘ny USI teny Manjaka Ilafy ny lehilahy iray ny 30 novambra 2024 lasa teo noho ny resaka fanafihana « cash point ».
👉Raha tsiahivina, dia nisy « cash point » niharan’ny fanafihana mitam-piadiana teny Manjaka Ilafy ny 30 aogositra 2024 lasa teo, ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany ity lehilahy ity. Araka ny fantatra, dia nihaodihaody tao amin’ny trano fisotroana iray teny an-toerana ny tenany, ny alin’ny 29 novambra 2024, tokony teo amin’ny 7 ora sy fahaefany ary izao tra-tehaka izao.
✅Natolotra ny Polisin’ny SUT (CC TANA VILLE) moa ny tenany hanohizana ny fanadihadiana.
Mitohy ny fikarohana ataon’ny Polisimpirenena.
DFIP SCFIP:JIOLAHY IRAY MPANDROBA CASH POINT VOASAMBOTRA TENY MANJAKA ILAFY