✅Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy androany teto amin’ny Kaominina ambanivohitr’Andekaleka, Distrikan’i Brickaville, Faritra Atsinanana ny fanombohana amin’ny fomba ôfisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025, teo ambanin’ny fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina. Lohahevi-dehibe ifantohan’izany hetsika hiarovana ny tontolo iainana izany ny hoe :  » Ny ala antoky ny rano sy ny angovo ».
🎯Nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity koa ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ireo tompon’andraikitra ambony sivily sy miaramila, ireo Raiamandreny ara-pinoana sy ara-drazana, ireo avy eo anivon’ny sehatra tsy miankina, ireo mpiara-miombon’antoka sy fikambanana maro samihafa, ary ireo mponina ifotony ato anatin’ny Distrikan’i Brickaville.
🟠Araka ny fanomanana sy fikarakarana izay nataon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, dia tany mirefy 50 hekitara no novolena zanakazo🌱 sy hazo fihinam-boa isan-karazany miisa valo alina (80.000), tety amin’ity toerana izay misy ny toby lehibe mpamokatra herinaratra eto Madagasikara ity. Antoka maharitra ho an’ny angovo holovainjafy, ary famerenana amin’ny laoniny ny tandavan’ala 🌴sy fiarovana ny sahan-driaka aty amin’ny Faritra Atsinanana, ireo no isan’ny tanjona lehibe nanatanterahana izao fambolenkazo teto izao.
📌Nanambara koa ny Filohan’ny Repoblika, fa atomboka tsy ho ela intsony ny asa fanamboarana ny toby vaovao famokarana herinaratra ao Ranomafana, reniranon’Ikopa izay hanana tanjaka 64 MW; ka handrakotra 25 hatramin’ny 30%n’ny filàna ankehitriny aty Antananarivo.

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PAMBOLENKAZO 2024-2025-Faha 16 desambra 2024

Vous pourrez aussi aimer