✅Ao anatin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana amin’ireo faritra maro manerana ny nosy ny Polisimpirenena amin’izao ankatoky ny fety izao ka hetsika maro, fidinana ifotony sy fisafoana no tanterahin’ny Polisy.
👮Ny 12 desambra dia andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana nikasa hanafika tamin’iny faritry Behoririka iny no sendra ny Polisin’ny CUI sy UIR nanao fanamiana sivily, ka avy hatrany dia nandositra nihazo ny elakelan-trano miakatra an’Ambondrona iny. Nampitandrina azy ireo ny Polisy, kanefa dia namoaka ny fitaovam-piadiana tany aminy ireto jiolahy ireto, voatery nitifitra ny Polisy ka lavo avokoa izy telolahy. Fantatra tamin’ny fanamarinana azy ireo fa isan’ireo raindainy amin’ny asa fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny manodidina eny, ary efa naharaisana fitarainana maro.
👮Isan’ny fiaraha-miasa ahafahana miady amin’ny asan-jiolahy hatrany ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amintsika.

DRSP ANALAMANGA CUI-UIR_JIOLAHY RAINDAINY 3 LAHY LAVON’NY BALAN’NY POLISY TETSY AMIN’NY TOHATOHABATON’AMBONDRONA

Vous pourrez aussi aimer