🤝Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fifindra-monina (OIM na Organisation Internationale pour les Migrations) dia nahazo fampitaovana indray ny Polisimpirenena ho fanatsarana ny fitantanana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina eny amin’ny sisitany.
👉Rafi-pitantanana angon-kevitra sy ny fitaovana ara-kajimirindra ampiasaina amin’izany no natolotra ny Sampandraharahan’ny Polisy misahana ny fiarovana ny sisi-tany eny anivon’ny seranam-piaramanidina MAHAJANGA sy NOSY BE.
👉Manamora ny angon-drakitra mikasika ny momba ny olona rehetra mandalo eny amin’ireo toerana fanaraha-maso ny fivoahana sy fidirana eto amin’ny firenena ireto fitaovana ireto no sady manatsara ihany koa ny angon-kevitra ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny politika an-kapoben’ny fanjakana momba ny fifindra-monina izao fiaraha-miasa izao.
👉Ny 17 desambra 2024 no natolotra ireo fitaovana ireo, nandritry ny lanonana fanaovan-tsonia ny famindrana izany teo amin’ny Lehiben’ny Fikambanana Iraisam- Pirenena misahana ny Fifindra-monina (OIM), Andriamatoa EVINA Roger Charles sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Herilala, izay nisolo tena ny fitondram-panjakana malagasy nandritra izany.
👉Nanamarika izany lanonana izany ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa Fitantanana ny Fifin-dramonina aty amin’ny faritra Afrika amin’ny ilany atsimo (SAMM na Southern African Migration Management).
âś…Marihina moa fa famatsiam-bola avy amin’ny PNUD 11è FED no nanatontosana izany.