đź‘®Tontosa ny 20 desambra 2024 ny lanonana lehibe famoahana ireo mpiofana tao amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarmariam-pirenena ao Moramanga.
👉Nitarika ny lanonana tamin’izany ny Minisitra Delegea miadidy ny Zandarmariam-pirenena, ny GĂ©nĂ©ral de Corps d’ArmĂ©e RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara, natrehin’ny Komandin’ny Zandarmariam-pirenena ny GĂ©nĂ©ral de Division RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert.
âś…Manamarika hatrany ny fahamatoran’ny fifandraisana eo amin’ny hery fiarovana sy filaminana dia anisan’ny tonga nanotrona izany lanonana ara-miaramila izany koa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RAKOTOZANANY Dany Marius.
âś…Taorian’ny lanonana ara-miaramila nanolorana mari-pahaizana moa dia nisy ny fitsidihana sy fitokanana ny foto-drafitrasa hipetrahan’ireo mpiofana zandary vehivavy.

ESGN MORAMANGA:FAMOAHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY IREO ZANDARY MIISA 99 NAHAVITA FIOFANANA

Vous pourrez aussi aimer