Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny faritra SAVA tao Ampandrozonana Sambava ny lehilahy iray 33 taona izay isan’ny tompon’antoka amin ‘ny halatra sy sinto-mahery miaraka amin’ny fampiasana moto ny 23 hifoha 24 desambra 2024 alina lasa teo.
Nahitana ity trangana asa ratsy ity niseho tao amin’ny distrika Sambava sy Antalaha. Ireo tompon’andraikitra amin’ny « Cash Point » no tena lasibatra ka mazana ny tolakandro sy ny hariva no fanaovan’izy ireo izany any an-toerana. Maro ny fitoriana voaray ao amin’ny Kaomisaria ao amin’ireo distrika roa ireo.
Nisy ny vokatra taorian’ny fandraisana andraikitra nataon’ny Polisimpirenena,
ka nahafahana nisambotra ity lehilahy voalaza etsy ambony ity.
Mitohy hatrany moa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana an’ireo namany.