Publié le 27 décembre 202427 décembre 2024 par rasamy Naharay fitarainana maro ny Polisimpirenena, fa misy fahaverezana ireo fitaovana izay mitondra hazavana ao amin’ny fokontanin’Andranomangatsiaka, ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana, ka nohamafisina ny fisafoana. Nahitam-bokany izany, ka lehilahy 02 no tra-tehaka teo am-pangalarana lampadaire miisa 04 sy panneau solaire 04, ny 22 desambra 2024 lasa teo tamin’ny 05 ora maraina. Noentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria izy roalahy ireto nanaovana fanadihadihana, ka naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana. DRSP ANALAMANGA-CSP MANJAKANDRIANA_LEHILAHY ROA NO TRATRA NANGALATRA « LAMPADAIRE SY PANNEAU SOLAIRE »