👮Nanatanteraka fidinana ifotony, nampahery sy nanome toromarika ireo Polisy miasa eny an-kianja ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo mpiara-miasa aminy ny 30 Desambra 2024.
🎉Amin’izao an-katoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona izao dia nandray fepetra ny Fitondram-panjakana mba hahafahan’ny vahoaka Malagasy miatrika ny fety am-pilaminana.
Nanentana moa izy tamin’izany ny hahaizan’ny tsirairay mifety mba tsy hitera-doza ho an’ny hafa.
👉Ankoatra ny fankaherezana ireo Polisy, dia nifampiresaka mivantana tamin’ireo vahoaka eny ifotony ihany koa ny tenany nandritra ny fitsidihana ny tsenan’Isotry sy ny tsenan’Andravoahangy.
Isan’ny nanamarika izao fidinana ifotony izao ny fankaherezana ireo Polisin’ny BFP nanao fanentanana an-dalambe sy tamin’ireo olom-pirenena sendra azy ireo, izay nifantoka bebe kokoa tamin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA:NIDINA IFOTONY NANKAHERY IREO POLISY MIASA ENY AN-KIANJA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA OMALY 30 DESAMBRA 2024.

Vous pourrez aussi aimer