👉Voasoroka ny vaky trano nokasain’ny lehilahy iray 29 taona teny ambolokandrina ny 2 Janoary 2025 tamin’ny 1 ora maraina.
👮Mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny ity mpamaky trano ity no tonga teny an-toerana ireo Polisy miasa ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo, ary noraisim-potsiny sy tsy afa nanohitra intsony. Nosavaina ka nahitana basy kilalao, antsy sy zava maranitra hafa tany aminy.
👉Noentina tany amin’ny biraon’ny Komisaria ny tenany nanaovana fanadihadihana.