✅Fonosana rongony sy fehina rongony milanja 600 grama no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka ao DIANA tao an-tranona vehivavy iray ao Ambodimagnary ny 04 Janoary 2025 lasa teo.
👉Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo, no nahafantarana ny fisiana olona mivarotra sy manaparitaka rongony ao Ambodimagnary. Nidina ifotony nanamarina izany ny sampan-draharaha miady amin’ny fanaparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina tany an-toerana.
👮Tratra nandritra izany fidinana ifotony izany tao ao an-tranony, niaraka tamin’ireo fonosana rongony amidiny ity vehivavy ity. Noentina tany amin’ny biraon’ny Polisy ny tenany hanaovana fanadihadihana.

DRSP DIANA-SRPE / STUP DIANA:TRA-TEHAKY NY POLISY NY VEHIVAVY IRAY MPIVAROTRA RONGONY

Vous pourrez aussi aimer