🆘 Ny 09 janoary 2025, olon-tsotra tsara sitra-po no nampahafantatra ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana fa misy zazavavy iharan ‘ny vono sy herisetra ka ny rainy ihany no nahavanon-doza ao Ampasamadinika.
👮‍♀️ Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy nanao fitsirihana sy nanamarina izany ka nosamborina tao amin ‘ny trano fonenany ity raim-pianakaviana ity tamin ‘io andro io. Nihidy aman- trano ity lehilahy ity nandritra ny fidinana ifotony ho fisamborana azy ary ratovovavy efa tsy mahatsiaro tena sy feno ratra no hita tao an-trano.
👉 Araka ny fanadihadiana, nanomboka 14 taona ilay tovovavy no efa naolan’io rainy io sy nanaovany fampijaliana isan-karazany ka hatramin’izao faha 33 taonany izao. Izany hoe nandritra ny 19 taona no nanaovan’ilay rainy izany filan-dratsy mamoafady sy tsy fampiseho masoandro izany.
⁉️Nandà hatrany ho tsy nahavita ireo heloka ireo ity lehilahy ity saingy niaiky izy rehefa tratra tao anaty solosainany ny karazana horonantsary mirakitra ny fanolanana sy vono ary fampijaliana nataony tamin’ilay tovovavy. Tapenany amin ‘ny lamba ny vavan’ilay zanany mba tsy ho afaka miantso vonjy mandritra ny fampijaliana sy fanolanana ataony.
🛑Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ity lehilahy manana fitondràn-tena hafahafa ity rehefa niakatra fampanoavana ny alatsinainy 13 Janoary 2025.

DPJ_SCPMPM/DPMPM TSARALALANA: RAIMPIANAKAVIANA IRAY NANAO FANOLANANA MIVERIMBERINA SY FAMPIJALIANA NY ZANANY VAVY NO SADY NALAINY HORONAN-TSARY

Vous pourrez aussi aimer