Natomboka ny 16 Janoary 2025 tao amin’ny Mining Business Center, Mamory Ivato, ny fivoriana lehibe natokana ho an’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Polisimpirenena. Notarihin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny fotoana. Tonga nanome voninahitra sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarmariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andry. Teny an-toerana ihany koa ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika (CEMA), ny Jeneraly DERAMASINJAKA Rakotoarivelo Manantsoa sy ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahiana Jean Herbert.
Haharitra roa andro ity fivoriana ity, ary natao indrindra hanatsarana ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny fitandroana ny filaminana. Tafiditra ao anatin’izany ny fandinihana sy fandrindrana paikady vaovao ary ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny Polisimpirenena.
Anisan’ny vaindon-draharahan’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana ka hametrahana rafitra mangarahara sy tompon’andraikitra hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala. Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izany ary mikendry ny fametrahana fandriampahalemana izay fototry ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Lakilen’ny fananganana fiarahamonina azo antoka sy milamina kokoa hoy izy ny fametrahana hatrany ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka ary hisian’ny fahatokisana ny andrim-panjakana isan-tokony.
Samy naneho ny fahavononana ny fanohizana an’ireo fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra ihany koa ny Minisitry ny Foloalindahy Malagasy sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.
Ireo tompon’andraikitra ambony sy ireo Tale miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka eto Antananarivo sy ireo Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka avy any amin’ny faritra isanisany no mandray anjara amin’ity fivoriana lehibe ity.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA:FIVORIAN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONY EO ANIVON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer