Publié le 24 janvier 2025 par rasamy ➡️ Nodorana ny 23 janoary 2025 ireo rongony milanja 1025 kg saron’ny Polisy miady amin’ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina tamin’ity volana Janoary ity rehefa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Fitsarana. ➡️ Ny 08 sy 10 janoary teo no nahatrarana ireto rongony ireto tany Antsirabe niaraka tamin’ny olona miisa 06, izay samy efa natolotra ny Fitsarana ary efa naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa. ➡️ Loharanom-baovao avy amin’olon-tsotra ka nametrahana paikady maro no nahazoana izao vokatra izao sy nahatratrarana ambodiomby an’ireo mpanao trafikana rongony ireo. DIRECTION DE LA POLICE ECONOMIQUE_SCLASSP (STUP):RONGONY MILANJA 1 TAONINA MAHERY NO NODORANA TENY AMBOHITRIMANJAKA