➡️ Nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny Polisy ny 16 janoary 2025 lasa teo teny amin’ny faritra manodidina an’Anosy sy ny sampandraharaha misahana ny famoahana pasipaoro no nahatratrarana olona 15 mianadahy nampiahiahy ka nanaovana fanadihadiana. Kasaina ho alefa any Oman ny vehivavy 9 tamin’izy ireo ary tompon’antoka amin’ny tambazotra mpanondrana olona an-tsokosoko any ivelany ny 6 mianadahy ambiny. Voaporofo nandritra ny fanadihadiana fa mamboatra karazan-taratasy hosoka marobe ahafahana mahazo pasipaoro ity tambazotra ity.
👉Natolotra ny fitsarana ny 21 janoary 2025 ny raharaha ka naiditra an-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona 6 mianadahy tompon’antoka tamin’izany.