➡️ Nidoboka am-ponja vonjimaika any Tsiafahy ny 13, raha toa ka ao amin’ny fonjan’Antanimora ireo vehivavy 6, izay voasaringotra sy nandray anjara tamin’ny fanondranana sokatra an-tsokosoko. Fiaraha-miasan’ny Polisimpirenena, ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ary ny Zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny angom-baovao samihafa no nahazoana izao vokatra lehibe izao.
➡️ Nanomboka tany Mahajanga, tamin’ny fahatratrarana tera-tany Tanzaniana iray, ny faramparan’ny volana Desambra teo no nanombohan’ny fanadihadiana. Nitohy tany amin’ny faritra Menabe sy ny faritra Androy, izay nahatratrarana ny mpanera sy mpaka an’ireo sokatra any am-potony, ary tao Mahajanga, izay nahatrarana ireo mandray an-tanana ny fanondranana ireto sokatra ireto any ivelany.
➡️ Raha atontaly dia sokatra manodidina ny 2700 isa no saika ho aondran’ity tambazotra ity, ka izao voasoroka izao.

MSP – MDG – MEDD:TAMBAZOTRA LEHIBE IRAY, NAHITANA OLONA 19 MIANADAHY, MPANONDRANA SOKATRA RAVAN’NY POLISIMPIRENENA