➡️ Tontosa ny Talata 4 Febroary 2025 teny amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin teny Antanimora ny lanonana fandraisana ireo Polisimpirenena vaovao hanatevin-daharana ny Hery Vonjitaitran’ny Polisimpirenena rehefa nahavita fiofanana manokana izy ireo.
➡️ Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala no nitarika ny lanonana, notronin’ireo Tale sy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
➡️ Nitondra fisaorana ho an’ny fitondram-panjakana foibe Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka tamin’ny fankatoavana ny fandraisana mpianatra ka tonga amin’izao nivoahan’ireto andiany vaovao ireto sy ny fampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny Polisimpirenena.
➡️ Tanjona ny hampandry fahalemana ny vahoaka hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka.
Nanamafy tamin’ireto andiany ireto ihany koa izy fa mitaky andraikitra lehibe izao fanamarihana hita maso izao, anatin’ny iraka ampanaovina ny Polisimpirenena dia ny fiarovana ny Andrim-panjakana mijoro sy ny vahoaka ao aminy. Nitsodrano sy nitondra teny fankaherezana ireto Polisimpirenena vaovao ireto ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka.
➡️ Ankoatra ireto Polisy miisa 195 izay hanatevin-daharana ny FIP ireto dia efa samy nandray ny asany ireo Polisimpirenena avy amin’ny andiany Sandratra miisa 1197.