➡️ Tovolahy iray Nanao sinto-mahery finday tratran’ny fokonolona teny Androndrakely ny 3 Febroary hariva. Niditra an-tsehatra ny Polisy avy ao amin’ny Boriborin-tany faharoa ka nentina natao fanadihadiana ity jiolahy ity rehefa nahazo fitsaboana.
➡️ Tovolahy iray ihany koa no tratra nangalatra finday teny Ambohipo ny 03 Febroary 2025. Mbola nahatratrarana finday roa hafa avy nangalarina teny aminy, nentin’ny Polisy avy ao amin’ny Boriborin-tany faharoa natao fanadihadiana.
➡️ Teny Ankorondrano indray, lehilahy iray no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Avancé raha nikasa hamaky trano ny 3 Febroary alina. Niantso ny Polisy ny tompon-trano raha vao nahatsikaritra ity mpangalatra ity nisikotra ny vavahady ka voasoroka ny asa ratsy.
➡️ Nahatratraran’ny Polisy rongony roa fototra teny amin’ny  » cité universitaire » Ankatso I rehefa nisy olon-tsotra nampandre. Mbola mitohy ny fanadihadiana hikarohana izay namboly an’io rongony io.
➡️ Lehilahy iray monina eny Sabotsy Namehana no tratra ambodiomby nangarom-paosy tanaty taxibe teny Manjakaray. Mbola nahitàna antsy teny aminy rehefa natao ny fisavana azy ary nentin’ny Polisy avy ao amin’ny Boriborin-tany fahatelo ho atao andri-maso sy fanadihadiana.

DPE-DRSP ANALAMANGA:STUP – CC TANA VILLE – CSP 2 – CSP 3 – PPA ANKORONDRANO

Vous pourrez aussi aimer